Actualités

Olan’ny Jirama Andrasana izay tena vahaolana matotra


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Tale miisa 36 ao amin'ny orinasa Jiro sy rano malagasy na Jirama no hiakatra eny amin’ny PAC na ny “Pôles Anti-Corruption”,

izany hoe ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly. Io moa no vaovao farany novoizin’ny minisitra tomponandraikitra sy ny ekipany farany teo mikasika ny olana misy eo amin’ity orinasam-panjakana ity. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe izao angaha moa izany vao fantatra fa misy fitantanana tsy mazava ao amin’ity orinasa ity? Tao anatin’ny 47 taona ve izany dia tale miisa 36 fotsiny no tokony ho tratran’izany karazana fanadihadiana izany? Ary ireo tale jeneraly sy ireo tomponandraikitra hafa, eny, minisitra mihitsy sy ny ankoatran’izany rehetra izany aza? Ny vazivazy zaritenan’ireo mpanara-baovao moa mahita izany rehetra izany dia te hametra-panontaniana hoe izany ve izany no hamerina ny fahatomombanan’ny famatsiana jiro sy rano avy amin’ity orinasa tokony hanjaka tokana eo amin’izay sehatra izay ity? Fanodinkodinana saim-bahoaka na “diversion” atao haharitra hatramin’ny oviana indray izany rehetra izany rehefa tsy tanteraka ilay famahana olana hoe 6 na 8 volana fara-faha elany? Miandry ny tena vahaolana ny rehetra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT