Raha ny tambazotram-pifandraisan-davitra Telma teo aloha teo no voatsikera matetika noho ny resaka tsy fahatomombanan’ireo tambazotran-tserasera samihafa
dia mampitaraina ireo mpanjifa ho manondrana koa amin’izao fotoana izao ny Orange. Olan’ny resaka aterineto eto no tena tiana ho resahana satria dia tena savolaina ireo orinasa madinika na miasa ao an-trano, izany hoe manao irony “télétravail” irony, vao mahita ny tambazotra na “réseau” hiseraserana anatin’izany aterineto izany na koa hoe mahita “connexion”. Tsy vitan’izay fa rehefa misokatra koa anefa izany “connexion” izany dia vao maika manampy trotraka ny fahataran’ny asa rehetra ilay izy rehefa midilotra na malaina fisosa be toy ny efa mampitaraina matetika ireo mpikirakira tambazotran-tserasera iny. Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanjifa ny hoe ilay “box” hiaka farany mihitsy ve no misy olana sa ahoana? Inona no azon’ny tomponandraikitra atao hamahana ireo olana misy ireo ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.