Actualités

Olan’ny asa fanaovan-gazety Mila fifampidinihana fa tsy vitan’ny mokon-doha fotsiny


  • Talata 05 Oktobra 2021

Raha ny zavatra hita sy tsapa hatry ny omaly aloha dia semban-drahona ny asa fanaovan-gazety mba tsy ilazana hoe misavorovoro.rakitra ny fanambarana etsy sy eroa ary efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo io dia nitohy omaly

.Ny fahafantarana ny lisitra tokana hofidiana biraon’ny holafitry ny manao gazety eto Madagasikara (OJM) no tena nampitselatra ny zava-drehetra.Lisitra tokana, tarihan’ny tompon’andraikitry ny faampahalalam-baovao ao amin’ny Radio Nasionaly (RNM).Izay efa mazava tsara fa eo ambany fiahian’ny ministeran’ny serasera.Milaza fa hanao an-tsakany sy andavany ny asany sy hamerina ny hasina sy toeran’ny asa fanaovan-gazety ny lisitra Tarihan’i Monica RNM.Aoka tsy hifamitaka kosa hoy ny cellule de crise ivondronan’ireo mpanao gazety tsy manaiky ny tsindry bokotra sy letrezana tadiavin’ny ministera hatao ; tsy kilalaon-jaza na sanatria fananan’olon-tokana ny asa fanaovan-gazety fa fiainam-pirenena, ary andry iray lehibe amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra eto amin’ny firenena.Manomboka mitombo isa ireo mpanao gazety sy fikambanana mpanao gazety mahatsaa fa tsy mety ilay kimaimaika fa sao dia tokony hidinika sy hifanakalo hevitra tsara aloha.Tsapa ihany anefa fa maika sy dodona ny ankilany satria, angamba maika hanendry olona ho ao amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, dia atao fotsiny izay hahalany biraon’ny OJM na iza tsy faly na iza tezitra.Tsy hampilamin-javatra izany ary tena hampikorontana ; ilaina ny fifampiresahana raha hanao fampihavanana mihitsy aza tsy misy olana, raha ny hevitry ny ankamaroan’ny mpanao gazety fa tsy tokony atao ady saritaka tahaka izao ity sehhatra iray ity.Ny tsy fantatra mazava hatreto dia ny hoe : ahoana marina ny hevitry ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy izay mahafantatra tsara ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety satria izy dia anisan’ireo nitolona ho amin’ny fanajana ny hasin’ny mpanao gazety sy ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra saingy rehefa nahazo toerana izay moa toa manadino ny fahiny ary tsy mahatadidy intsony ireo fomba fanao tsy nety nahasolafaka ny teo aloha.Tsy mbola tara raha miverin-dalana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT