Nanokanan’ny mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny fanabeazana sy fikarohana siantifika, fanantanjahantena sy tanora eo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST) fotoana manokana tao amin’ny Lapa Maitso Anosikely ny alatsinainy teo ny olana miseho lany eny amin’ny Oniversite eto Madagasikara
Niainga tamin’ny lahadinika nataon’ny mpampianatra mpikaroka nasaina manokana dia Rtoa Rakotondrajao Fanja, nanazavany ny fomba fijery matematika ny toe-draharaha izany ary niafara tamin’ny fikaonandoha fohy nataon’ireo mpikambana CST ka nanoloran’izy ireo volavolan-kevitra hoentina any amin’ny fivoriambe. “Sao dia mba efa mihoatra ny izy ny zava-miseho ankehitriny”, hoy Rasolofo René, filohan’ity vaomiera ity, “ka tokony handraisana fepetra”. Ny fepetra niraisan-dry zareo dia ny hoe “tokony handray fepetra ny “Collectif des enseignants” hiantso izay mpampianatra te hampianatra fa tsy mety amin’ny fisainan-dry zareo izany hoe handray volam-bahoaka nefa tsy miasa akory ! Tsy resaka karama no takian’ny SECES, hoy izy ireo fa tombontsoa ihany, tsy tokony hamonoana taranaka. Ilay fomba fijery matematika moa dia fantatra tamin’ny fanazavana azo fa fijoroana amin’ny marina ary manome vahaolana manaraka ny lojika. Raha ny marina dia tsy nisy zava-baovao loatra nolazain’ny mpandahateny nanazava izany fa ireo olana efa fantatra fa iainan’ny oniversite hatramin’izay sy ny vahaolana mifandraika amin’izany ihany no notanisainy (resa-bola, fitaovana sy fotodrafitrasa tsy zarizary…).
Izay nanaitra ny sain’ny mpanotrona, indrindra ny mpanao gazety kosa, dia ny filazan-dRtoa Rakotondrajao Fanja fa : “avo efatra heny noho ny raisiny eto Madagasikara ny karamany mampianatra atsy Afrika ary avo valo heny kosa ny raisiny any Eorôpa”. Voateny tao koa ny amin’ny karama be raisin’ny mpikambana CST sy fampitahana izany amin’ny mpiasam-panjakana tsotra. Tokony horaisina lisitra, hoy ny feo heno tetsy Anosikely, ireo mpampianatra SECES mampianatra eny amin’ny oniversite tsy miankina fa ny hoe “migrevy izany dia tsy tokony hiala ao amin’ny toeram-piasany tena raikitra”. Nitondra fanazavana ny amin’ny zava-misy marina eny amin’ireo oniversite 6 eto Madagasikara, tao amin’ity fihaonana ity, ny Sekretera Jeneraly sy ny Tale iray ao amin’ny ministeran’ny ambaratonga ambony sy fikarohana siantifika ka nahafantarana fa tsy mitovy ny fomba famahana ny olana any amin’ireo toerana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.