Nampiditra fatiantoka an-jatony tapitrisa ariary teo anivon’ny antenimieran’ny varotra Toamasina ny olana nisy teo aminy sy ny Mictsl noho ireo entana lany fetr’andro mihoatra ny 15 andro araka ny lalŕnan’ny fandintseranana malagasy mbola hazonin’ity orinasa ity tao anatin’ny dimy taona, nefa vao mainka nihamafy tato anatin’ny telo taonan’ny krizy.
Niteraka olana teo anivon’ny ladoany koa ity toe-javatra ity satria lasa nisaritaka ny fitantanan’ny fadintseranana ireo entana mbola tafavoaka nefa voarakitra ao aminy. Tsy tafiditra ara-dalàna ihany koa ny volam-panjakana izay asan’ny ladoany no mampiditra ny hetran’ny entana nohafarana sy haondrana. Fa anisan’ny tena olana ho an’ireto mpiasan’ny ladoany ireto ny fanjavonan’ireo entana tokony hiditra lavanty hakana ny vola na koa tsy mifanaraka amin’izay voasoratra ny ao anatiny. Efa fantatra moa fa efa vita ny antontan-taratasin’ady mikasika ny raharaha CCIT sy ny MICTSL ary vavolombelona ny ladoany sy ny mpiasa ao aminy misahana ny magazay ny CCIT. Miandry ny fiakaran’ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ao Toamasina ny rehetra hijerena ny tena olana sy ny meloka mikasika ity raharaha ity.
Hatramin’izao anefa dia tsy misy tohiny ny raharaha na dia teo aza ny toky hentitra nomen’ny lehiben’ny fampanoavana ao Toamasina fa « tsy handefitra amin’ny halatra eo anivon’ny seranantsambo ka hanafay izay mpanao ny halatra ary handray ny andraikitra mifanandrify momba ny raharaha halatra eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina » ny tenany. Raha ny hitan’ny zandary sy ny polisy misahana ny ara- bola sy ny kolikoly nanao ny fanadihadiana dia olona 23 no voarohirohy tokony hiakatra fitsarana, kaontenera 20 mahery no hifanolanana ao anatin’ity raharaha andiany voalohany eo amin’ny MICTSL sy ny CCIT ary ny ladoany Toamasina ity. Ho hita eo ny ho tohin’ity raharaha ity aorian’ny fivoriana ho ataon’ny mpiasan’ny ladoany anio. Tsy fantatra raha hifarana sy hodinihan’ny fitsarana ihany, ny antontan-taratasin’ady efa eo am-pelatanany rahateo sa hiandry izay ho fepetra raisin’ireo mpiasan’ny ladoany izay tsy maintsy hiatomboka amin’ny taratasy fampitandremana sy fampahafantarana aloha. Ahiana hiafara amin’ny grevy indray anefa ny raharaha, raha samy hanao be marenina ireo tokony handray ny fepetra mifanandrify amin’ny andraikiny avy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.