Ny iray tetsy Ambohijanahary, ny faharoa kosa tetsy Tanjombato
Momba itsy voalohany, raha araka ny fantatra, dia nisaoty teny amin’ny rihana faharoa avy hatrany ilay tovolahy vao 19 taona ary tena tapa-kevitry ny hamono ny tenany rehefa avy nifamaly tamin’ny sipany, 17 taona. Torana avy hatrany ary tsy nahatsiaro tena mihitsy izy io noho ny hamafisan’ny fianjerana. Nentina teny amin’ny HJRA ary mbola tohizana tsaboina ao hatramin’ny fotoana nanoratanay.
Raha ny fanazavan’ny olona akaiky azy dia noho ny fananaran’ny sipany azy mba tsy hisotro sy hifoka intsony no nahatezitra azy ka nahatonga azy hamono tena. Ilay faharoa kosa indray dia fantatra fa mbola mifandraika amin’ny resa-pitiavana hatrany no nitarika ity vehivavy iray saika hisaoty tao ambany tetezan’i Tanjombato mba ho lasan’ny ranon’Ikopa. Io indray dia efa voafatony tamin’ny tady misy vato ny tendany. Iny izy efa handeha hisaoty iny mihitsy no nisy nahita tampoka. Nifanampy ny mpandalo nanavotra ity vehivavy ity ary ny niafarany dia tsy tontosa ny eritreriny.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.