Actualités

Olana ara-piarahamonina Lasa sahy midaroka sy mamono zandary ny olona


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Olana ara-piarahamonina maha lasa saina Zandary iray no maty nisy nanindrona

 

 

antsy tao Ambohimanambola ny 21 janoary teo. Niara-dalana tamin’izay ihany koa ny iray tao Ambatondrazaka izay voalaza ho notetitetehin’ny zazamena tao an-toerana. Ny 22 janoary teo koa izao dia nisy an’iny zandary sy polisin’ala na "agent forestier" namita iraka tany Tanambao Besakay iny izay nampandohalihan'ny fokonolona teo ampovoan-tanana noho ny tsy fankasitrahana ny fisamborana ireo roalahy voalaza fa nitevy sy nandoro ala tao an-toerana ny 20 janoary. Efa mifamadika ny zava-misy any ambanivohitra any, hoy ny mpanara-baovao, satria dia fokonolona izao no efa sahy mampandohalika fanjakana. Tsy vao izao no nisy trangana fikasihana sy famonoana zandary saingy tsikaritra ho mitady hahazo vahana kosa izany tato ho ato. Olana ara-piarahamonina maha lasa saina ihany.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT