Actualités

Olana amin’ny fifandraisan-davitra Mandeha ny fanadihadiana parlemantera


  • Zoma 10 Septambra 2021

Nampahafantarina tetsy amin’ny antenimieram-pirenena omaly ny fehin-kevitra faharoa ny 31 mey 2021 fa mijoro eo anivon’ny antenimieram-pirenena ny kaomisionim-panadihadiana parlemantera momba ny

 serasera ampitain-davitra. Voasolo tena ao anatin’izany avokoa ireo vondrona parlemantera misy eto anivon’ny antenimieram-pirenena, hoy ny fanazavana, dia ny GPR, CMF, TIM ary IRD. Mpikambana miisa 15 no ao anatin’izany fanadihadiana izany. Avy amin’ny fitarainan’ny vahoaka no nanaganana izao kaomisionina izao. Efa nohenoina daholo ny mpisehatra rehetra dia ny Airtel, Orange, Blueline,Telma. Nohenoina koa ny Artec izay mpampanara-dalàna ny sehatra, ny ministera rehetra voakasika toy ny minisiteran’ny vola, tamin’ny alalan’ny fitantanana ny hetra, ny fitantanana ny tahirim-bolam-panjakana, ny minisiteran’ny varotra. Isany koa ny Paositra ary efa azo daholo ny taratasy rehetra mikasika izany ary hitanay fa misy lesoka be dia be. Misy tsirambina sy tokony ho arenina. Mitohy ankehitriny ny fanadihadiana. Mbola manana hatramin’ity fivoriana hoavy ity izahay. Izany hoe any amin’ny faramparan’ny taona any. Hamoahanay fehikevitra izany amin’ny farany ho entina ao amin’ny fivoriana iarahana na “séance pleniaire” ka hita izay zavatra atao satria halefa any amin’ny tomponandraikitra izany. Mahaleotena tanteraka ny kaomisiona satria ny fankatoavan’ny fivoriambe tato. Homena ny tompon’andraikitra tandrify moa ny fehin-kevitra mba hahafahan’izy ireo manatanteraka izany, hoy hatrany ity kaomisiona ity. Ny resaka fidilotry ny aterineto na “connexion”, ny fahana tonga dia lany be, ny distrika sasany mbola tsy manana fahafahana miantso am-pinday ny 60%n’ny kaominina sy ny olana hafa marobe amin’ny fifandraisan-davitra moa no isan’ny fitarainana voaray ka antony nananganana ity kaomisiona ity, hoy ny voalaza omaly hatrany, nefa nisy fifanarahana napetraka tao anatin’ireny.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT