Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ny volana febroary lasa teo mikasika ny olana eo amin’ny tsy fahampian-tsakafo any Atsimo ary dia nahatafavoahana antontanisa izay maneho fa mahatratra 665.000
amin’izao fotoana ny olombelona miaina anaty faharendrehana ara-tsakafo ary ny 333.752 amin’ireo dia vehivavy avokoa. 475.000 kosa ny olona azo atao hoe ahiana ho tratran’izay faharendrehana izay, izany hoe mitotaly 1.140.000 any ho any amin’izao no miaina tsy fahatomombanana ara-tsakafo any atsimo. Ho vahaolana amin’izany ary dia misy ny atrikasa izay natomboka omaly ary hifarana anio mba hikarohana ireo paikady ahafahana mitsabo ny lafiny tsy fahampian-tsakafo sy tsy fahafaha-mamokatra mihitsy any atsimo. Ao Ambovombe no atao ny atrikasa ary dia trandrahana manokana amin’izany ny mikasika an’Androy sy Anosy ary iny faritra Atsimo Andrefana iny. Efa maro ihany moa raha izay vahaolana naroso hofidiana amin’ny olana ara-tsakafo eto Madagasikara izay fa dia matetika no very an-javony tany anaty atrikasa toy izao.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.