Niverina indray omaly maraina ny olana amin’ny fanamboarana Pasipaoro biometrika etsy amin’ny polisy misahana ny fifindra-monina Anosy.
Olana teknika hatrany no voalaza fa antony na fantatra aza fa resa-bola, trosa tsy voaloa amin’ilay orinasa SEMLEX misahana azy io no tena fototry ny olana. 110.000 Ary ny saran’ny fanamboarana pasipaoro biometrika. Arotsaka any amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny vola. Eo no mipetraka ny fanontaniana, ao amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola ve no mampikatso ny fandoavana trosa sa inona no mitranga ? Nahita maso ny fitangoronan’ny olona mangataka pasipaoro sy ny fimenomenoman’izy ireo teny Anosy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier omaly, raha nihazo ny minisiteran’ny Atitany toy ny fanaony rehefa alatsinainy maraina, saingy nanao izay hialana maimaika izy rehefa nanatonan’ny olona, ary nilaza fa “tsy aty aminay (Atitany) no manao pasipaoro”. Midika ve izany fa tsy afaka manome baiko ny minisiteran’ny fitantanam-bola hanafaingana ny fandoavana ny trosan’ny orinasa mpanamboatra azy io ny praiminisitra ? Hafahafa ihany mantsy ny mandre izany valin-teny sy ny fomba fialany izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.