Actualités

Olan’ny mpianatra any Chine Mandositra andraikitra ny fanjakana


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013


Manoloana ny fanambaran’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fampianarana ambony ny tsy maintsy hampodiana ireo mpianatra Malagasy any Chine miisa 200 mahery ary ny tsy fitazonana afa-tsy mpianatra 28 eo ihany dia maneho ny alahelony ny fikambanan’ireo ray aman-dreny manana zanaka mianatra any Chine fa fandosirana andraikitra tanteraka no ataon’ny fanjakana amin’ny tsy niezahany nifampiraharaha amin’ny fanjakana sinoa. Azo atao maneran-tany, hoy ireto ray aman-dreny ireto ny mifampiraharaha amin’ny fanjakana satria fanao izany. Ny fampodiana ireo ankizy ireo dia fanimbana tanteraka ny hoavin’izy ireo sy ny toe-tsainy satria efa nisafidy ny ho any ivelany izy ireo ary ny traikefa mivantana azo avy amin’ny fifampikasohana amin’ireto teratany sinoa no hampitombo izany traikefa izany. Hiteraka tombontsoa ho an’ny firenena manontolo ny fahazoan’ireo mpianatra ireo ny traikefa avy any ivelany. Antso fanairana no ataon’ireto ray aman-dreny ireto satria nanaitra azy ireo fa tsy nisy akory ny fifampidinihina teo anivon’ny komity mpikarakara, izay ahitana ny solontena avy amin’ny minisitera telo miahy mivantana ny vatsim-pianarana, indrindra fa ny solontenan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra any Chine. Azo atao tsara ny mifampidinika sy mifanakalo hevitra ho amin’ny fitadiavana vahaolana miaraka amin’izao olan’ny mpianatra any Chine izao, hoy Atoa Mahavelo Charles filohan’ny fikambanan’ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra ireo

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT