400 : Navoakan’ny Maison Blanche ho fata-bahoaka tamin’ny zoma teo ny vola niditra tamin’ny filoha amerikanina Barack Obama sy Michelle Obama vadiny nandritra ny taona 2013.
Fantatra tamin’izany fa nisy fihenana hatrany amin’ny 400 tapitrisa Ariary mahery ny volan’izy ireo, raha 608 611 dolara (1,947 miliara Ariary) izany tamin’ny 2012 dia lasa 481 098 dolara (1,540 miliara Ariary) tamin’ny 2013. Marihina fa 922 tapitrisa Ariary isan-taona eo ny karaman’i Barack Obama. Fikambanana mpanao asa soa miisa 32 no omen’izy ireo fanampiana ara-bola. Asa rahovina ny eto Madagasikara no hanao mangarahara toy izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.