Actualités

Ny samy mpitondra no tsy mifanaraka Ny vahoaka no mizaka delestazy


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Ity izany no tonga amin’ilay fanoharana hoe izy mivady no miady dia ny zanany no voatorotoro.

 Efa nahoraka hatramin’ny ela ny tsy fifandraisan’ny tadin-dokangan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo ankehitriny sy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, izay mpitondra tenin’ny governemanta hatramin’izao ihany koa. Hatramin’ny fotoana mbola naha tale jeneralin’ity minisitera misahana ny angovo sy ny akoran’afo ity lasa minisitra mitantana azy ankehitriny ity no efa saika nibahana ny adihevitra hatrany izany. Fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe efa niravina ve ny disadisa sa tsia? Milaza matetika ny minisitry ny angovo sy akoran’afo fa misy ny manao “sabotage” na misopatra ny orinasa Jirama. Iza no tena tian’ity minisitra ity ho tondroina amin’izany? Ireo olom-boafidy na mpitondra na tandapa mitaky ny fialany ankehitriny ve sa ilay minisitra efa nalaza ho nifanolana taminy an-taonany maro sa ireo tale sy mpitantana be dia notorian’ny sy misedra raharaham-pitsarana ankehitriny? Fehiny, ny samy mpitondra izany no tsy mifanaraka dia ny vahoaka hatrany no mizaka delestazy vinanian’ny filoham-pirenena malagasy fa mety mbola haharitra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2028.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT