Actualités

Ny Hasina - Andriamanananoro Misy ady mangatsiaka


  • Zoma 18 Mey 2012

Olona 150 no very asa nohon’ny fisintonana ny fahazoan-dalàna ampiasain’ny orinasa Madamobil mampiasa ny tambazotra Life.

 Ankoatra ireo mpiasa ireo dia misy mpiara-miasa amin’ ity orinasam-pifandraisana ity miisa 2000 eo ho eo izay mpaninjara ny ankamaroany no hanampy isa ireo tsy an’asa. Manginy fotsiny ny fahavoazana ho an’ireo mpanjifa 20.000 mampiasa ny tambazotra Life eto Antananarivo. Manoloana ny fahavoazana goavana ateraky ny fanapahan-kevitry ny fanjakana dia miantso fifampidinihana amin’ny tompon’ny orinasa sy ny mpitondra isan-tsokajiny ireo mpiasa ao araka ny fanambarana novakian’ny solotenan’ny mpiasa, Ravoavy Herizo. “Kamboty izahay satria tsinotsiniavina ny vokadratsy ateraky ny fikatonan’ny orinasa amin’izao krizy izao” Notsiahiviny fa efa hatramin’ny taona 2008 izany hoe vao nanomboka mihitsy ny Life no efa niaina tao anatin’ny ahiahy sy fitaintainana lava ny mpiasa.

Marihina fa tsy afaka manao fifandraisana amin’ny tambazotran-tserasera hafa ny Life hatramin’izao. Ny tsy fandoavana hetra isan-karazany moa no antony nambaran’ny Tale jeneralin’ny OMERT, Andriamananoro Augustin, fa nisintonana ny fahazoan-dalàna nomena ity orinasa ity. Fanapahan-kevitry ny filankevi-pitantanana io, hoy izy. Ny mpitantana ny Life kosa anefa milaza fa vonona hanefa ny adidiny izy ireo saingy tsy navela nanao izany. Raha ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny ministeran’ny fifandraisan-davitra dia tsy mankatoa ny fanapahan-kevitry ny OMERT ny minisitra Ny Hasina Andriamanjato izay tsy nampilazaina mialoha akory. Mbola io loharanom-baovao io no mitatitra fa tsy manaiky miara-mivory amin’ny OMERT ny minisitra Ny Hasina hatramin’ny namoahana ilay fisintonana fahazoan-dalana tamin’ny 08 may 2012 teo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT