Hanao fitsidihana arahan’asa ao Toamasina ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina anio tontolo andro. Fitsidihana voalohany hataony ao Toamasina io taorian’ny nahavoafidy azy ho filoham-pirenena ary iray volana taorian’ny nanaovana fianianana nandraisany fahefana feno.
Araka ny loharanom-baovao dia ny fijerena ny fomba entina hanatsarana ny tanànan’i Toamasina sy ny fanampiana ny Faritra amin’ny teti-panorina ho an’ny fampandrosoana nosoritany ary ny hijery ny seranantsambo efa miditra ao anatin’ny fanatsarana sy fanitarana iarahany amin’ny governemanta japoney, no tena anton-dian’ny filoha ao Toamasina. Fantatra ihany koa fa anisan’ny hojeren’Atoa Rajaonarimampianina manokana ny orinasa TIKO eo anivon’ny seranana izay efa namoahany didy fa tsy maintsy arovana, toy izany koa ireo andremana nogiazana eo anivon’ny seranantsambo ary ireo fiara 4x4 an’ny “JP Trading”, fantatry ny maro amin’ilay hoe “fiara 4x4 an’ny Jly Camille Vital”, voalazan’ny tompony fa atolony ho an’ny filoham-pirenena entiny manatsara ny filaminam-bahoaka sy ny fametrahana ny fandriampahalemana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.