Namoaka mpikabary matihanina 130 mianadahy ny fikambanana Ny Ampinga etsy Tanjombe Ambohimanarina, tarihin’ny filoha mpanorina azy Manampisoatoavina Lalaina Mitahirifahendrena.
Teny amin’ny kianja maitson’Analamahitsy no nanatanterahana ny lanonana ny faran’ny herinandro teo, misalotra ny anarana Andrarezina andiany fahavalo. Nianatra nandritra ny fito volana ireo mpianatra ireo, nandalina ireo karazana kabary rehetra misy izay hahafahany miditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Efa-taona no kely indrindra amin’izy ireo ary 62 taona no zokiny. Tsiahivina moa fa ny fikambanana Ny Ampinga dia mampianatra kabary maimaimpoana ny olon-drehetra tsy handoavam-bola. Foto-kevitra hijoroany ny hampandroso hatrany ifotony ny teny sy ny soatoavina Malagasy izay marihina fa mbola tena mampiavaka azy tanteraka amin’ireo fikambanan’ny mpikabary hafa eto amintsika. Ankoatra izay dia miantsehatra mafy amin’ny lafiny ara-tsosialy ihany koa ny fikambanana. Hisokatra amin’io taom-pianarana ho avy io mantsy ny kolejy hahafahana mandray ireo ankizy sahirana eny Ambohimanarina sy ny manodidina raha efa misy sy miasa ny sekoly ambaratonga fototra mandray an-tanana azy ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.