Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Secren (Société d'Etudes, de Construction et de Réparations Navales)
ny hanohizan’i Ntsay Abel ny fitantanana ny orinasa eo amin’ny toeran’ny Tale jeneraly, mandritra ny taom-piasana 2021. Nanomboka ny taona 2010, nankalazana ny faha-35 taonan’ny Secren i Ntsay Abel no efa Tale jeneraly tao. Rahalahin’ny praminisitra amperin'asa Ntsay Louis Christian izy. Ntsay Abel no teratany Malagasy faha-7 nitazona io andraikitra io hatramin’ny taona 1975. Orinasa manamboatra sy mikojakoja sambo ny Secren, miorina ao Antsiranana. Toy ny orinasa maro, dia isany misedra fahasahiranana ny Secren teo amin’ny fidiram-bolany, ary nanampy trotraka izany ny fisian’ity valanaretina coronavirus ity, nampihena ny fivezivezen’ny sambo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.