Actualités

Notorian’ny Depiote Rossy ? Ampanantsoin’ny Cybercriminalité i Jean Nirina anio


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Nahazo taratasy fampiantsoina eny anivon'ny « service de lutte contre la cybercriminalité » etsy amin'ny Toby Ratsimandrava indray ny filohan'ny Hafari Malagasy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina rahampitso Alarobia 29 desambra 2021.

 Ambaran'ny taratasy fampiantsoina fa "noho ny resaka ahiahiana makasika raharaha Facebook" no antony nampanatsoina azy, ka hisy atao famotorana mikasika izany. Raha ny fampitam-baovao izay navoakan'ny pejy mitondra ny anaran’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia depiote iray no nitory azy amin'izao raharaha izao. « Marihana etoana anefa fa Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina dia tsy mikirakira Facebook ary na ny « téléphone » hapiasainy aza dia « téléphone foza », ary ny compte dia izahay serasera no mitondra azy, tsy mbola namaly na dia « commentaires » iray aza izahay, hita hoe halako bika tsy tiako tarehy ny fitoriana », hoy ny fanehoan-kevitra tao amin’io pejy mitondra ny anarany io. Vonona ny hamaly ny fiantsona azy kosa anefa Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina raha ny fampitam-baovao navoakany hatrany. Tsy fantatra mazava moa hoe : iza no depiote no nitory azy ? Raha zohiana amin’ny tantara sy ny lonilony kosa, dia ny depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-4 Rossy na Rahasimanana Paul Bert no tsikaritra ho tsy mifankahazo aminy. Nandritra ny fihaonana tamin’ny governemanta farany teo, ohatra, dia isan’ny fanamarihana sy antso avo nataon’ity depiote ity ny handraisana andraikaikitra amin’ireo karazana dokam-pitsaboana raha ambangovangony, ka isan’ny notsipihiny manokana ny hoe: “indrindra fa ity sektambra sektambra anareo ity”. Efa hatry ny ela ihany koa ny fifanakianana an-tambajotran-tserasera teo amin’ny roa tonta. Andrasana anefa izay tena marina momba ity raharaha ity hoe: olon-kafa sa io depiote io tokoa no nitory, fa ny tsy azo lavina dia misy ny lonilony eo amin’ny roa tonta, ary efa nifanome fantsy hatry ny ela, araka ny tenin’ny tanora.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT