Actualités

Nosy Sainte Marie Nidoboka am-ponja i Chan mpandrahona amin’ny basy


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Lehilahy iray 43 taona, tsy manam-bady, miasa mitazona restaurant eto Sainte-Marie antsoina hoe ;

 

 

 Chan no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fandrahonany olona tamin’ny basy misy bala. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ny alahady atoandro teo tamin'ny 1 sy sasany no nahazo antso ny Polisim-pirenena mikasika io fandrahonana niseho tany an-toerana io. Fantatra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny polisim-pirenena fa nanadala vadin'olona ny lehilahy. Ity farany indray anefa avy eo no nandrangaranga basy tamin'ny tompom-bady raha ny vaovao azo.Niaiky moa i Chan fa nanao izany fandrahonana izany. Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy taorian’ny niakarany teny anivon’ny fampanoavana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT