«Mitady mpiasa za-draharaha ny nosy Mayotte mba hisy fampandrosoana haingana, ka raha tsy ampy ny any an-toerana dia voatery maka amin’ireo faritra manodidina izahay, ka anisan’izany ny faritra Boeny». Io no namintinan’ny filohan’ ny kaomisiona misahana ny Fanofanana sy ny Famoronana ao Mayotte, Atoa Ali Moussa nandritra ny fihaonany tamin’ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar ny zoma 14 Febroary 2014 tao amin’ny biraon’ity farany. Nambaran’ny vahiny fa raha tsy mipetraka nefa ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana rehetra hahafahan’ny tanoran’i Mahajanga sy ny tanora any Mayotte mifanakalo traikefa dia tsy ho tanteraka izany.
Diso fanantenana
Ny lehiben’ny faritra Boeny kosa dia tsy nanafina ny fahadisoam-panantenany, nilaza fa tsy tsapany loatra ny fiaraha-miasa eo amin’i Mayotte sy Boeny na dia efa tamin’ny taona 2006 aza no natao ny fanaovan-tsonia momba izany. Io fifanakalozana mahakasika ny fanofanana sy kolotsaina io ihany no mba misy hita taratra raha toa ka efa lasa lavitra ny firaha-miasan’ny Conseil Général Mayotte sy ny faritra DIANA. Nohamafisin’ny vahiny tokoa ny fisian’ny fananganana ny Ivontoerana fanofanana informatika ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana sy ny Ivontoerana Fanofanana momba fizahantany sy ny fandraisam-bahiny ao Nosy Be. Tsy kivy anefa ny faritra Boeny fa vonona ny hitady ny hanatsarana ny fifandraisana hatrany. Tapaka taorian’ity fihaonana ity ary fa hanasa ny Filohan’ny Departemantan’i Mayotte, Atoa Zaïd Ali, hitsidika an’i Mahajanga. Ny antony dia mba hiarahana mijery izay sehatra rehetra tokony hirahana miasa ka hampandroso ny faritra 2 tonta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.