Mandeha ny mandeha, hoy ny fitenenana. Isika Malagasy variana amin’ny fifaninanana eo amin’ny filoha teo aloha sy ankehitriny
ary fitokanana kianja etsy sy eroa. Ny firenen-kafa, etsy ankilan’izay, efa mahavita mandrakitra an-tsoratra ho lasa tena fananany ireo heverina fa harenantsika. Tsy ny ady tany amin’ny Karana sy ny ady hevitra hatramin’izao momba ny lalana hifehy ny zom-pirenena ihany no resaka eto fa dia noraketina ho valan-javaboahary frantsay faha 170 koa izany izao ny Nosy sambatra na Iles Glorieuses, izay isan’ireo nosy manodidina an’I Madagasikara na Iles Eparses. Navoaka ny 8 jona teo ny didim-pitondrana frantsay mamaritra izany, raha ny tatitry ny gazety Le Monde. Navoaka tamin’ny gazetim-panjakana kosa izany omaly. Mirefy 4,3km² moa ity nosy ity 43.700km² ny ranomasina manodidina azy izay voakasik’ity didim-pitondrana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.