Lasan’ny mpanam-bola vahiny ny tany rehetra ao Nosy be amin’izao fotoana izao,
hoy ny mpandraharaha ao an-toerana, Joseph Yoland, ary hanaovan’izy ireo tetikasa izay tiany. Tetikasa tokony atao ao anefa, ohatra, ny fananganana oniversitem-panjakana. Misy oniversite tsy miankina amin’ny ampahany ao fa mila atao ara-panjakana. Efa manaiky ny ministera saingy alain’ny vahiny ny tany tokony asiana ilay oniversite. Ny mampalahelo dia tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny tetikasan’ireo naman’ny mpitondra. Manentana ny tanora mba handray ny andraikiny andrao ho lasa toa an’ireo nosy manodidina na nosy Malagasy koa i Nosy be kelikely eo, hoy hatrany ity mpandraharaha ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.