Actualités

Nosamborina i Vaonalaroy Randrianarisoa Nisoloky, nisandoka ho mpiasan’ny Prezidansa…


  • Alarobia 18 Mey 2022

Nosamborina ny maraina teo ary nentina tao amin’ny Sampam-pikarohana momba ny heloka bevava eny Fiadanana

ny Minisitry ny Kolontsaina teo aloha sady Solombavambahoaka teo aloha voafidy tao Brickaville Rtoa Vaonalaroy Randrianarisoa, teraka Ramahatodisolomanana. Resaka fisolokiana no voalaza fa hanenjehana azy, ary olona maro no manenjika an’ity minisitra teo aloha ity. Misy manenjika noho ny raharaha taratasim-bola tsy misy antoka, fisolokiana fiara, tsy fandoavana hofantrano,… Ambaran’ny fampahalalam-baovao mpomba ny fitondrana fa nanao «Trafic d’influence » sy fisandohana andraikitra samihafa ka nilaza ho olona avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy milaza azy ho olona ambony, miampy fivadiam-pitokisana ity minisitra tamin’ny andron’ny HVM ity. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 09 novambra 2021 dia efa nosamborina teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny tenany. Nangingina tsy nisy tohiny ny raharaha, ary navotsotra izy mazava ho azy. Nambara tamin’izany fotoana izany fa saika hitsoaka tany ivelany ka tratran'ny polisy teny Ivato. Efa nisy didy fampikarohana na “avis de recherche” sy fitoriana momba azy nipetraka hatramin'ny 2019 nataon'olon-tsotra, hoy ny fanamarihana tamin’izany. Fisolokiana na “Escroquerie” sy fivadiham-pitokisana na «Abus de confiance» no vesatra hiampangana azy, araka ny fanazavana tamin’izany. Momba ilay resaka fiara, lehilahy iray « Ingénieur en Aéronautique » antsoina hoe JN C nanana fiara raitra marika Hyundai Coupe Fx 2.7 V6 Tuscani no voalaza fa nitory. Ny mahagaga: efa ny 2019 no nisy didy fampikarohana kanefa ny novambra 2021 no nosamborina. Navotsotra indray avy eo ary niverenana nosamborina aty amin’ny volana mey 2022. Tsara ny manamarika fa isan’ireo mpanao mpikambana ao anatin’ny AAMP (Association des Anciens Ministres et Parlementaires de Madagascar) izay nipoitra tamin’ny fomba ofisialy ny 25 martsa 2022 teo Rtoa Vaonalaroy. Isan’ireo tazana tetsy amin’ny Hotely Trano Bongo Tanjombato tamin’ny fampahafantarana ofisialy io Fikambanana io. Mananontanona ny fifidianana, mafanafana ny politika,… Tsy misy ifandraisany amin’izany ve ny fanentsehana ny dosie momba azy na ambara aza fa olon-tsotra no mitory? Nahoana no navotsotra dia avy eo nosamborina indray fa tsy tonga dia nandeha ny raharaha ary natao ny fitsarana ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

Hijery ny tohiny
FTT