Actualités

Norbert Lala Ratsirahonana “Izay fitondrana ialanay dia miongana”


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Nanatanteraka fivoriana izay natokana ho fandinihana ny raharaha anatiny anatiny ny AVI sy ny fampandrosoana azy aty Vangaindrano sy ny faritra Atsimo Atsinanana ny Antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) tarihin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana.

Io ilay antsoina hoe Ainga vao Ifotony. Isan’ny nahatongavany tany an-toerana koa ny fanotronana sy famaliana ny fanasana nataon’ny filohan’ny fikambanana « Jamais Mort » Atoa Mahavitara Sylvestre. Nisy ny fanolorany ireo tanora hafa zanaky ny faritra izay manana andraikitra ambony ao amin’ny fitondrana. Amin’ny AVI ny traikefa sy ny fahaizanao no mikaonty. Namafisiny fa tsy manavaka ny AVI. Isan’ny fitsipika mifehy ny antoko ny hoe : « ny fihavanana aloha izay vao politika ». Tao anatin’ny 25 taona mbola tsy niova tamin’ny foto-keviny ny AVI dia ny Asa Vita no Ifampitsarana. Naneho fa miara-miasa amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana tahaka ny IRD : Ao anatin’ny IRD ny AVI ary mbola tsy niova tamin’izany. Na miara-dia amin’ny fitondrana aza, hendratrendratra ihany I Norbert Ratsirahonana naneho fa izay fitondrana ialan’izy ireo dia miongana. .. « Fa misy fotoana nialan’ny AVI, tsy niaraka tamin’ny fitondrana. Ny antony tsotra: matoa miaraka anie ny antoko anankiroa tsy hoe fanambadiana mandra-maty io e, antso io, fiaraha-miasa no tadiavina amin’io. Misy foto-kevitra noheverinay foana hoe hazavaina dia ny hoe " Izao no tokony hatao" nefa rehefa tena mandeha ny raharaha tsy ankatoavin’ilay eo amin’ny tena Fitondrana ilay foto-kevitra, dia voatery miataka, ny zavatra noteneninay tamin’izany dia hoe: "Aleo izahay miataka". Rehefa miaraka dia miaraka ary mifanaja. Izaho tsy te hanonona anaran’olona eto, fa indraindray misy zavatra manahirana anao ka tsy azo leferina intsony dia voatery ianao miataka no hiafarany, raha tsy izany miara-potika amin-dry zareo ao. Miala tsiny aho miten’an’ity: " rehefa izahay no miala amin’ny fitondrana, miongana ny fitondrana aaa !», hoy izy, izay toa mifono fampitandremana ihany. Raha ny tantara politika teto tokoa, izay nifandramatra tamin’ny AVI toa nirodana na tsy tafaverina tamin’ny toerany, raha tsy hilaza afatsy ny Amiraly Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, izay toa manamafy fa manana ny toerany ara-politika Atoa Norbert Lala Ratsirahonana izay efa Filoham-panjakana teo aloha. Naneho anefa ity Antoko ity, fa tsy manam-pahavalo ny antoko fa vonona hiresaka amin’ny rehetra. Nanipika kosa fa tsy misy fampandrosoana mety ho vanona na kely aza, raha tsy misy ny Fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, ka isan’ny nomarihin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana fa misy ny fangalarana harem-pirenena, nisesy ny resaka trafika sy halatra: 73kg, 36kg, 22kg, 40kg,… lasa tsy hita izay alehany.
ANJARAN’NY CENI NO MANAPOROFO
Mikasika ny fikaonan-doham-pirenena dia nilaza ny AVI fa tsy mazava aminy ny tian’ireo mpanao politika hatao ka mila fitandremana. Momba ny fifidianana dia nambarany fa tanjona ny tsy hisian’ny fitakiana sy ny fitsipahana ny vokam-pifidianana aorian’ny latsa-bato mba hampilamina ny raharaha. Rehefa voahaja ireo foto-kevitra sy fifanarahana ireo dia vonona ny AVI hanohana. Anjaran’ny CENI no tokony manaporofo amin’ny rehetra fa tena ara-dalàna ny rindram-baiko na “logiciel” ary mandeha tsara ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana na “refonte” ataony. Raha mitaky ny fanaovana fitsirihana na “audit” ny olona dia tokony hatao. Tanjona ao anatin’izany ny tsy hisian’ny fitakiana aorian’ny fifidianana, ka mila mandray andraikiny ny CENI, hoy ny Antoko AVI.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT