Actualités

Noravana ny tsenan’i Malacam Mitombo ny tsy an’asa sy tsy manan-kialofana


  • Alarobia 06 Martsa 2013

Tampina ny daomy ho an’ireo mpivarotra nanoloana ny kianjan’i Malacam fa noravan’ny Madarail vao maraimbe omaly, niaraka tamin’ny vadintany narovan’ny Emmo-Reg nirongo basy, ny tsena fivarotan’izy ireo fa hatao manara-penitra ity kianja ity.

 Nofefena tafo fanitso avy hatrany ny manodidina ka lalankely mihazo ny «Couloir de la mort» sisa azo nandehanana. Vokany, nitombo indray ireo Malagasy very asa sy tsy manan-kialofana. Tampoka tamin’ireo mpivarotra 240, izay nanantena ny firavonan’ny raharaha taorian’ny fanelanelanana nataon’ireo mpikambana CST tonga teny an-toerana tamin’ny zoma lasa teo, ny zava-nitranga. Maro no efa nahamasaka sakafo mba hamidy tamin’io omaly io ka zary matiantoka fotsiny tsotra izao noho ny tsy fahafahana nivarotra izany.

Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ary nilaza ny tsy maha ara-dalàna ny fahatongavan’ilay vadintany nanome fampitandremana na«ultimatum» ora iray an’ireo mpivarotra hanesorany ny entany ny CST Ramasy Adolphe, omaly maraina. Aminy dia tsy resa-pitsarana no nisy ka tsy tokony hidirana vadintany nefa dia tsy nahasakana na inona na inona izy. Efa maizimaizina izy sy ny CST namany, niisa valo, notarihan’Atoa Alain Ramaroson vao tafaverina nankahery an’ireo mpivarotra rava trano sy nanazava fa tsy ara-drariny izao antsojay atao amin’ny vahoaka mamelon-tena izao izay lasa traboina tampoka. Nampanantena ireto delegasiona CST ireo fa horaisin-dry zareo an-tanana ity raharaha ity.

Betrobetroka avy hatrany no niseho raha nanatona hifampiresaka tamin’ireo mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Reg ireto CST. Tsy nisy namaly ny fanontanian’ireo CST koa izy ireo ka voatery nampahatsiahy ny maha filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny CST Atoa Alain Ramaroson, nampian’ny CST Jeanson sy Ramasy Adolphe ary Rasolofo René ny mba tokony hifanajana. Ny kaomisera iray anisan’ny nitarika azy ireo no nanamarika fohy fa henon-dry zareo ny hiakiakan’ny mpivarotra fa baiko ny azy ireo ary izay no asa hamelomany vady aman-janaka.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT