Actualités

Nono “Toy ny vao omaly ny fahiny”


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Vaky vava teny an-tsehatra omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, i Nono raha nahita sy naheno ny fanarahan’ny mpijery tonga maro nanaraka ny hirany fa toy ny vao omaly ny fahiny.

 Hira niisa 32 no voalahatra fa hataon’i Nono ka anisan’izany ireo rehetra tsy afaka am-bavan’ny rehetra satria mbola faheno amin’ny onjam-peo samihafa isan’andro toy ny “Ray ô”, “Bedy foana”, “Hoy ianao” , “Ento aty”, “Ankizy milalao”, “Hira iray”, “Soga kely”, “Lasa aho”, “Ialahy” ary ny Mitomany an’ireo masoandro efa nodimandry namela azy angahiahy. Hentitra amin’ny fandrindrana feona mozika i Nono ka nibaikobaiko fatratra ny rehetra teny an-tsehatra. Efa reraka koa aho, hoy izy, ka tsy mahavita Jazz intsony nefa tsy mbola manadino an’ilay “clarinette” fiangaliany. T

afaray ny tia sy ny manina, hoy i Hery Randriamampianina avy amin’ny trano mpamokatra Mi-Ritsoka mpikarakara ny fampisehoana, “tafiditra ao anatin’ilay gadona mozika tadiavinay mihitsy ny an’i Nono. Izy no efa nokatsahanay tao anatin’ny 5 taona niforonan’ny Mi-Ritsoka, hoy izy, ary mbola hotohizana anatin’ny 5 taona manaraka. Mbola i Nono ihany aloha no seho manaraka karakarainay amin’ny fanakaikezany vahoaka hanao “Cabaret” eny amin’ny A&C Ivato ny 31 mey izao mialoha ny hiarahana amin’ny TGC eny Antsahamanitra ny 2 jona.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT