Hagagana ny an’ny mpanjifa nanerana an’Antsirabe omaly alakamisy 20 martsa fa tsy nisy nivarotra ireo mpamongady io andro io. Velom-panontaniana ny mpanjifa ka sesilany ny antso tamin’ny finday.
Tampoka ho an’ny maro izany. Nisy ny fivoriana nataon’ireo mpamongady izay nahatsapa ny tsy fetezan-javatra ataon’ny mpiasan’ny hetra. Milaza ho tsy misy mandà ny fandoavan-ketra ireo mpivarotra saingy toa ny mandoa ihany no lasibatra, hoy izy ireo, fa ireo sehatra tsy ao anatin’ny ara-dalàna jerem-potsiny. Takian’izy ireo noho izany ny hampiatoan’ny fanjakana izao fitakiana hetra hafahafa izao ka ho fanairana izany no hikatonan’ny mpivarotra ao Antsirabe mandritra ny andro roa aloha ka aorian’izay dia ho hita eo indray ny tohiny.
Niely ny tsaho, misy OPK ?
Fa tany Toliara dia nikatona avokoa tsy nisy nisokatra na dia iray aza, omaly, ireo magazay sy toeram-pivarotana karana hatramin’ny trano fandraisam-bahiny. Vetivety dia niely eran’ny tanàna ny tsaho fa misy OPK (Opération Karana), hono, ka samy nifitsaka ireo Karana. Niroaroa saina ny mpanjifa sy ireo mpividy entana. Nisy andian’olona ihany koa moa nivorivory teo Bazaribe ka nanampy trotraka. Resaka hetra anefa no nampikaton-trano an’ireto Karana ireto. Amin’izao tokoa mantsy dia misy ny fitakian-ketra ataon’ny fanjakana ka ankevitry niray hina ireto mpivarotra sy mpandraharaha ireto ka nanakatom-baravarana.
Nanazava ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny sampandraharahan’ny hetra fa «misy hetsika fitakian-ketra toy izao manerana an’i Madagasikara ka tsy tokony hanaovana fahirano ny vahoaka».
Ho an’ny tao Toamasina indray dia nanao fihaonambe tao amin’ny kianja mitafo Soavita ireo mpivarotra sy mpamongady omaly tolakandro. Nanamafy izy ireo fa “tsy hisokatra mihitsy” raha tsy efa mivaly ny fangatahan’izy ireo. Na izany aza, fantatra fa hisy ny fihaonan’izy ireo amin’ny depiote Ndahimananjara anio tolakandro ao amin’ny kianja Soavita ihany hitadivam-bahaolana satria manomboka mitaraina ny vahoaka mpanjifa ka atahorana ny sakoroka.
Rakoutou/Caïus R/E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.