Actualités

Noho ny “e-toroka” an’ny Jirama “Efa nisy tratra ireo mpangalatra herinaratra”


  • Talata 09 Aogositra 2022

Hatramin’ny nametrahana ny sampana manokana “e-toroka”, nilaza ny Jirama fa afaka namantatra ireo mpangalatra herinaratra marobe, toy ny teny 67Ha,

tany Avaradrano, teny Sonierana, ka araka ireo fisesiny ireo dia tokantrano tsotra, famonoan’omby, ary orinasa lehibe no nahitana izay hosoka izany raha ny tatitry ny Jirama. Nanao antso avo ho an’ny mpanjifa hitoroka hatrany ireo mpanao hosoka moa io orinasa io, izay efa nitatitra iray volana teo izay fa mahatratra hatrany amin’ny 200 miliara Ar ny faktiora tsy voaloan’ny mpanjifa ary manodidina ny 100 miliara Ar isan-taona ny halatra herinaratra, 370 miliara Ar ny trosa tsy voaloan’ny Fanjakana,… Nambara fa isan’ny miantraika any amin’ny mpanjifa ny halatra herinaratra, miteraka fahasimbana maro sy tsy fiodin’ny fitaovana mpihary sy mpamatsy herinaratra araka ny tokony ho izy. HENJANA NY FAHATAPAHANA TAO ANTSIRABE Eo izay lesoka noho ny halatra izay, fa isaorana ny Jirama kosa ny tsy dia fisian’ny fahatapahana firy intsony amin’ny atoandro. Na izany aza, mbola mampitaraina ny maro ny delestazy, tahaka ny omaly hariva, izay tao anatin’ny fanarahana ny lalaon’ny ekipam-pirenena amin’ny taranja basikety mihitsy no tapaka. Ny tany Antsirabe, ny sabotsy nanomboka tamin’ny 9ora maraina hatramin’ny alahady tamin’ny 01 ora tolakandro, samy tapaka ny jiro sy rano saika nanerana ny tanàna iray manontolo. Tena mampikolay, koa miantso ny Jirama handray andraikitra, hoy ny mponina.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT