Actualités

Noho ny bakalôrea Mirehitra tsy tapaka ny jiro


  • Talata 02 Aogositra 2016

Nofy ratsy ny delestazy ao Ambositra. Mirehitra tsy tapaka ny jiro. Miaina kely indray aloha ny mpanjifa, afa-tebiteby amin’ny mpanao halabotry sy ny asan-jiolahy.

Afaka manararaotra ihany koa ireo mpandraharaha manao asa miantehitra amin’ny herinaratry ny Jirama. Efa mampiomana anefa ny mpiasan’ny Jirama, araka ny feo miely ao an-tanàna, fa hatramin’ny 15 aogositra ihany io jiro mandeha tsy tapaka io, fa dia mety hiverina indray ny delestazy aorian’izay, noho ny olana ara-tsolika hatrany. Mandeha amin’ny solika mantsy ireo gropy mpihary herinaratra ao an-toerana. Mazava ny resaka fa dia nanenjehana ny fanadinana bakalôrea fotsiny ihany no nampandehanana ny jiron’ny Jirama ao Ambositra. Mety tsy ho zakan'ny fitondrana mantsy raha migrevy ireo tanora mpiadina bakalôrea ireo, raha voahelingelina noho ny resaka jiro tapatapaka ny fifantohan-tsain’izy ireo mandritra ny fanadinana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT