Actualités

Nogadraina noho ny resaka facebook Nivoaka ny fonja omaly i Jeannot Randriamanana


  • Alarobia 11 Mey 2022

Nivoaka omaly talata 10 mey rehefa naiditra am-ponja ny 10 martsa lasa teo Jeannot Randriamanana. Raha tsiahivina dia ity lehilahy iray no namoaka fanehoan-kevitra tamin’ny tambazotran-tserasera facebook mikasika ilay

zavatra voalaza fa tsy nandeha nataon’ny Fitondram-panjakana tany amin’ny faritra momba ny fizarana fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai. Nahazo fahafahana vonjy maika izy ary afaka namonjy ireo vady aman-janany sy ny fianakaviany soamantsara. Tsiahivina moa fa voaheloka hisazy roa taona an-tranomaizina i Jeannot Randriamanana nanomboka ny volana martsa lasa teo. Nafana anefa ny hetsika fitakiana nataon’ny vondrona mpiaro ny zon’olombelona sy antoko politika izay nitaky ny famotsorana sy famoahana azy faran’izay haingana ka izao izy navoaka izao. Amin’ireto farany mantsy dia tsy tokony hampirohoroana na tapenam-bava ny olona sahy milaza ny zava-misy marina tahaka ireny, tranga izay hahafahan’ny Fitondram-panjakana manitsy ny diany ihany koa ho tombontsoan’ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity Jeannot Randriamanana sy ny mpisolovava azy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

Hijery ny tohiny
FTT