Ny alahady ho avy izao no ho tonga eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ny
nofo mangatsiakan’i Goly be na Ferdinand Rafalimanana, mpiandry tsatokazon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra tamin’ny fotoan’androny. Hisy ny fiandrasana izany nofo mangatsiaka izany etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina amin’io fotoana io, raha ny fikasana hatreto. Araka ny fanazavana sy fampitam-baovao avy amin’ny fianakavian’ity andrarezina ity hatrany dia hitohy ao Mahajanga izany ny alatsinainy sy talata. Araka ny hafany moa dia ao Mandritsara no handevenana ny nofon’ity mpiandry tsatokazon’ny Club M fahiny ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.