Velon-taraina, tezitra sady nalahelo ny mponina teny Analamahitsy omaly noho ny korontana naterak’ireo andian’olona avy nijery fampisehoana tao amin’ny Coliseum.
Rehefa vita ny fety tamin’ny 6 ora hariva mahery teo dia nivoaka ireto mpijery efa tsy tompon’ny tenany fa mamo ny ankamaroany. Nisy avy hatrany ireo nijapy taksibe sy niditra an-keriny, tao ny nanozongozona sy nikitikitika ny fiara izay mifanena aminy na mandeha io na ny mijanona. Nisy mihitsy aza, araka ny fitantaran’ny vavolombelona ireo andiana tanora nigafy sady nanendaka tsotra izao. Nisy hatramin’ny nitaingim-bozona izay olona sendra azy. Feno olona ny arabe ka raikitra ny harom-paosy sy ny sinto-mahery amin’ny endriny rehetra. Fiarakodia tsy latsaky ny roa no fantatra fa vaky pare-brise. Ny fiara sasany dia nahitana fahasimbana ihany koa noho ny herisetra sy fihetsika mahery. Zavatra tsy mbola fahitanay tety Analamahitsy mihitsy izao, hoy ny mponina teny an-toerana. Afa-baraka tanteraka aloha noho izao zava-nitranga teny Antsonjombe sy Analamahitsy izao ilay orinasan-tserasera an-telefaonina vaovao BIP nikarakara ity lanonana tsy nandoavam-bola ity ka nanasana mpanakanto miangaly ny mozika mafana sy mihetsiketsika. Fampisehoana amina toerana lehibe tahaka izao ve dia tsy mba nandraisana fepetra hentitra ? Nankaiza ny mpitandro ny filaminana ? Na natao tsy ampy aza ny polisy tao anaty kianja, tsy mba nihetsika haingana ve ny hafa nifehy ireo olona efa nivoaka avy nijery lanona ? Tena mila fampianarana sy fanabeazana goavana na ny mpikarakara lanonana na ny olona mijery fa raha tahaka izao foana no mitranga eto dia hivadika zavatra hafa. Ary ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana koa dia mila mailo lalandava fa tsy midororororo fotsiny. Sa efa tsy mahafehy na inona na inona intsony ka avela hifamono mihitsy ny Malagasy e ?
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.