18 no voarohirohy, olona 7 no mbola karohina, ka isan’izany ny mpitrandraka, ny tompony,... hoy ny Lehiben’ny Fitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC Atoa Mamy Rakotomahefa omaly. Mety hampanano sarotra ny fisamborana ny famoahana ny anarana ka tsy navoaka, raha ny fanazavana. Tsy vita tao anatin’ny roa andro noho izany ny fanadihadiana. Ny ampahany tamin’ny volamena dia voalaza fa avy any amin’ny Faritra arovana, toy ny tany Mahajanga. Tsy maintsy mangataka fahazoan-dàlana maokana hanenjika sy hisambotra raha ohatra ka olona manana zo tsy azo henjehina (immunité) no voasaringotra. Mbola tsy mahafantatra ny valiny ofisialy momba ny fangatahana ny hamindrana ireo olona voarohirohy atsy Afrika Atsimo ho aty Madagasikara kosa ny PAC. Misy fifandraisana amin’ny maha sao ao anatin’ny SADC an’i Afrika Atsimo sy Madagasikara, ka izay no andrandraina hisian’ny fiaraha-miasa, hoy ny Lehiben’ny PAC. Raha ohatra ka tsy tratra tao Afrika Atsimo dia vitavita ho azy, ka isaorana ny Afrikanina Tatsimo tamin’ny fisamborana ireo olona ireo, hoy hatrany ny eo anivon’ny PAC.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.