Actualités

Nitombo 18,8% ny fandaniana solika Mitombo ny volan’ny “FR”, làlana anefa potika


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Nahatratra 609.995 m³ ny solika lanin’i Madagasikara tao anatin’ny 6 volana (janoary-jona) voalohan’ity taona 2022 ity, izay voalaza fa nisy fiakarany 18,8% mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa nandritra ny vanim-potoana nitovy, izay 513 612m³.

Ny antontan’isa navoakan’ny Ofisim-pirenena misahana ny akoran’afo (OMH), notsoahina avy amin’ny tatitry ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan’isa (INSTAT), araka ny voarakitra ao anatin’ny fafana momba ny toekarena n°48. Ny 312.963 m³ amin’io dia gazoala avokoa izay nisy fiakarana 28,4% teo. 86.339m3 ny lasantsy, izay nitombo 13,5% ny fandaniana, ary 26.166m3. kosa ny solika fandrehitra raha 17.638 m³ teo aloha izany hoe 48,8% ny fiovana. Tombanan’ny OMH hiakatra hatrany amin’ny 7,6% ny tsenan’ny solika mitaha ny tamin’ny 2021. Azo lazaina ho miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha ara-pahasalamana ary miakatra manaraka izany ny fampiasana solika, raha nilatsaka tao anatin’ny roa taona noho ny fihibohana. Tsara ny manamarika, fa isaky ny mividy solika, dia misy ampahany makany amin’ny kitapom-bola momba ny fikojakojana ny làlana na ny FR (Fonds Routier) izay marihina fa FER (Fonds d’Entretien Routier) teo aloha, saingy novain’ny Fanjakana Rajoelina. Raha ny fanazavana efa nentin’ny mpandinika iray, 37% amin’ny vidin’ny lasantsy no makao amin’io. Hatramin’ny volana jolay, mbola 4100Ar ny lasantsy izany hoe 1506Ar amin'ny vidiny namarotana azy nakao amin’ny FR. 956Ar tamin'ny vidiny amarotana 3400Ar ho an’ny gazoala. Nitombo ny fandaniana solika, nitombo ny vola niditra amin’ny Fanjakana, saingy tsy arakaraka izay ny fikojakojana ny làlana. Mampikolay ny ankamaroan’ireo làlam-pirenena. Tsy voaloa ny karaman’ireo orinasa nikojakoja ny làlana. Volabe hatrany amin’ny 546 miliara Ar voalaza fa nisy nanodinkodina ka izay no mahatonga izao tsy fihetezana rehetra eo amin’ny sehatry ny làlana izao? Toa fampandriana adrisa no betsaka hoe: mandeha ny antso tolo-bidy, eo am-panaovana tombana amin’ny fanamboarana ny làlam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT