Actualités

Nitokona ny «Auto-école» Niveri-maina ireo mpanala fanadinana


  • Talata 01 Martsa 2011

Tsy nisy ny fanadinana tokony hatrehan’ireo mpianatra «Auto-ecole» fangalana fahazoan-dalana mamily fiarakodia omaly alatsinainy 28 febroary.

Sorabaventy maromaro nilaza ny hoe : «Auto-école en grève» no novantanin’izy ireo teny Tsimbazaza vao maraina. Mitokona nanomboka omaly, araka izany, ireo mpampianatra mitondra fiarakodia eto Antananarivo sy ny avy any Antsirabe ary nanome 48 ora ny ministera tompon’andraikitra hamaha ny olana mianjady amin’izy ireo. Efa nisy ny dinika nifanaovan’ny roa tonta omaly alatsinainy maraina ary mbola hitohy amin’ny alarobia maraina izany. Tsy mbola hisy izany ny fanadinana atao amin’io andron’ny 2 martsa io raha tsy hoe angaha mivaha mialoha izay ny olana. Ny fototry ny olana dia nambaran-dRakotomalala Abel José, filoha nasionalin’ny fikambanan’ny «Auto-école» eto Madagasikara, fa noho ny fisian’ny disadisa eo amin-dry zareo sy ny ATT izay mitantana ny fanadinana amin’izao fotoana izao.

«Korontana no misy hatramin’ny nitantanan’ity rafitra ity an’io fanadinana io”, hoy izy, “nefa noheverina ho fanatsarana no nanomezana azy ireo izany raha ny ministeran’ny Asa vaventy no nisahana izany teo aloha. Be ny vola asaina aloan’ny mpiadina manala fanadinana, hoy izy ireo fa manodidina ny iray alina ariary isan’olona izany, nefa nahatratra telo alina ny isan’ny mpiadina naka fahazoan-dalana hitondra fiarakodia raha ny tamin’ny 2010 fotsiny, dia hevero amin’izany nefa tsy nisy akory mba fanatsarana ny toerana eny Tsimbazaza, na efitrano fanadinana izany, na seza hipetrahan’ny mpiadina mijanona tapakandro eny na trano fivoahana sy rano madio. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra izy ireo amin’ny alalan’io fitokonana fanairana io ary mitaky mihitsy ny hanesorana amin’ny ATT ny fikarakarana izany fanadinana izany.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT