“Raha ny fijerin’ny fiaraha-monina, dia izahay no tena mpiasa miadana indrindra eo amin’ny samy mpamily fiara vaventy. Ny lalàna sy ny fitaovana ary ny fepetra tsy maintsy arahina fotsiny no moderina sy nampanarahana ny any ivelany, fa ny sosialinay dia mbola tena Malagasy”.
Izay no fitarainan’ireo mpamily kamiao mpitatitra solika izay mitokona ao Toamasina nanomboka ny alatsinainy 21 janoary teo ary nitohy omaly talata. Ireo mpitatitra ny antsoina hoe: “produits blancs” izany hoe lasantsy sy gazoala ary solitany, avokoa izy ireo. Efa roa andro izany no tsy nitatitra solika mihazo an’Antananarivo sy ireo faritra hafa izy ireo, izay tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny famatsiana amin’ireo faritra tsy nahazo izany. Anton’izao fitokonana izao dia fanehoana firaisankina tamin’ny nahafatesan’ny naman’izy ireo noho ny fitaintainan-dava sy “stress” tsy misy fiafarany ary tahotra lava noho tsy fandeferan’ny mpampiasa amin’ny fahadisoana “kely” miseho.
Raha ny fanazavana azo, izay namafisin’ny taratasin’ny mpitsabo dia fahatapahana lalan-dra tamin’ny fo sy ny loha, no nahafaty ilay mpamily nefa am-perin’asa tanteraka ary tsy nomena ny zony amin’ny maha-olombelona sy amin’ny maha-mpiasa azy. Eo koa ny naman’izy ireo izay nogadraina ao Antanimora efa ho iray volana izao, noho ny heloka tsy nataony akory tamin’ny fanaovana ny “analyse de densité” ny solika nentiny. Nolazaina fa tsy ara-dalàna ny vokatra nentiny nefa noraisin’ny “Logistique Pétrolière” ihany raha tonga teto Antananarivo. “Hajao ny zonay fa mba olombelona ihany, na mpamily kamiao mpitatitra solika aza”, hoy ny fitarainan’ireo mpamily mitokona tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana. Omaly tolakandro, dia ireo mpaka ny “jet” sy ny “fuel” no efa niasa, fa ireo mpitatitra ny lasantsy sy ny gazoala ary ny solitany kosa mbola nitokona. Efa miala any sahady anefa ny fandrahonana, ka horoahina sy handraisana fepetra henjana ireo mpamily tsy miasa manomboka anio alarobia 23 janoary.
Rakoutou
Sary : Fiarabe mpitondra solika nitoby tao Manangareza omaly (sary : Rakotobe)
ENCADRE
Araka ny loharanom-baovao dia tsy tafiditra teo anivon’ny kitapom-bolam-panjakana ny hetra mahatratra an-jatony miliara Ariary, teo amin’ny fanafarana ny solika ny taona lasa 2012 iny. Lasa aiza ity vola be ity ? Raha ny fanazavana re hatreto dia noho ny faneren’ny fitondrana tetezamita ny tsy fampiakarana ny vidin’ny solika eny amin’ny toby mpaninjara, ka tsy maintsy nandoavany ny fatiantokon’ireo mpaninjara solika no antony tsy nahatafiditra io vola be io. Ny mahagaga dia nahoana no sandan-ketra fanafarana solika tokony naloa mihintsy ity tsy tafiditra ity (?).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.