Nitobahan’ny «pétrole»

> May ny vatan’ilay vehivavy


  • Zoma 13 Septambra 2013

Renim-pianakaviana iray monina ao Ambohimiadana Ambohidrazana etsy Ampitatafika no nirehetan’ny solika fandrehitra ny sabotsy lasa teo. Araka ny fitantaran-dRaharimanana Verohanta dia tamin’ny fotoana nodiany sy ny zanany efa-taona avy any an-tsena io sabotsy io no nahitany setroka nivoaka avy tao an-tokantranony.

Noheveriny fa namelona afo ilay vadiny ka niditra tao izy. Akory anefa ny hatairany rehefa nahita fa tsy tao am-patana velively no nivoahan’ny setroka fa tao an-trano ary efa mijoalajoala tokoa ny afo. Nivonona ny handoro ny tenany miaraka amin’ny trano tao io vadiny io, araka ny filazany ihany. Nikoropaka hamono ny afo izy no nitobahan’ny solika fandrehitra teny an-tanany ka izao may izao. Ny vatany hatreo amin’ny feny no ho miakatra no may ary ireo mpiara-monina nandre ny hiakiakany no namonjy azy fa tsy ilay vadiny akory. Rehefa avy eo kosa dia naterin’ilay vadiny tany amin’ny anabaviny i Verohanta ka tany no nangalan’ny ray aman-dreniny azy rehefa nahare ny fahavoazany ireto farany. Teny iray fambaran’io vadiny taorian’ny nahafatesan’ny zanak’izy ireo roa taona tamin’ny volana ambony ny hoe : «maso solon’ny maso, aina solon’ny aina».

Heverin’i Verohanta fa fanatanterahana io teniny io no anton’izao nandoroana trano izao. Tsy vao sambany no nikasi-tanana sy nanao herisetra tamin’i Verohanta mianaka io vadiny io fa efa fomba fanaony. Nisy fotoana aza, hoy izy nanampenany ny vavany mihitsy nandritra ny alina natoriany, manginy fotsiny ny fandroahana isak’izay misy fifamaliana. Manoloana ny zava-nisy dia tsy nahatsindry fo ny fianakavian’i Verohanta ka nanatona ny HAFARI Malagasy mba hitoriana ity raim-pianakaviana izay hatramin’izao dia tsy nanopi-maso akory ny vady aman-janany na dia eo aza ny fahamaizana izay diso fantany loatra. Nandeha nidina tany an-toerana nijery ifotony ny zava-misy moa ny filohan’ny fikambanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT