Manoloana ny zava-nisy mikasika ny fihetsiketsehana nataon’ny vahoaka ho fanehoan-kevitra teto amin’ny firenena nandritra izao krizy izao, dia naneho ny heviny teny Ambohibao, omaly maraina, ireo manamboninahitra Jeneraly sy manamboninahitra ambony misotro ronono, izay efa nivory teny Ankerana moa ny volana mey 2010.
Tazana teny an-toerana ny jeneraly isany Rakotoarijaona Désiré, Rasolomahandry Edmond, ny Médecin Colonel Rakotomanana Dieudonné ary ny Contre Amiral Radavidson Abel. Nampatsiahy ireo manamboninahitra jeneraly misotro ronono ireto fa anisan’ny fotokevi-dehibe tamin’ilay fivoriana teny Ankerana ny tokony hisian’ny fitoniana eo anivon’ny foloalindahy sy ny firenena. Notsiahivina tamin’izany fotoana izany ihany koa, ny fanarahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, amin’ny fanatanterahana ny andraikitra. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo ihany dia anisan’ny zava-nokendrena tamin’izany ny fampiharana sy fanatsarana ny fehin-kevitra izay tapaka tamin’ny «Assises militaires» teny Ivato tamin’ny taona 2009 hikendrena ny maha-iray tsy mivaky ny Foloalindahy. Namerina indray moa ireto manamboninahitra ireto fa ny antom-pisian’ny foloalindahy dia ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany sy ny fampanajana ny sata repoblikana : «Ho an’ny Tanindrazana». Nisy fehin-kevitra telo, lehibe ary navoakan’izy ireo tamin’ny alalana fanambarana ofisialy omaly teny Ambohibao, ka voalohany dia nanantitrantitra ireto jeneraly misotro ronono ireto fa anisan’ny zo fototra iraisam-pirenena ny fahafahana maneho hevitra ankalalahana, eo anivon’ny firenena.
Faharoa, nilaza izy ireo fa tsy tokony hampiasaina ho herim-pamoretana ny vahoaka ny Foloalindahy, ary fahatelo farany dia nampatsiahy izy ireo fa arakan’ny voadidin’ny lalàna velona, ny manampahefana sivily izay manome baiko ny mpitandron’ny filaminana handrava fihetsiketsehana ka hampiasa hery no tsy maintsy manatrika ny fanatanterahana izany. Amin’izany andraikitra izany, dia mitondra ny marika maha-manampahefana sivily azy izy (fanamiana na samboady). Izy ihany koa no manome fampitandremana mialoha ny fampiasan-kery. Farany moa dia manainga sy mampahatsiahy ireo tompon’andraikitra ankehitriny ireto manamboninahitra jeneraly ireo fa tena zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna velona ho fiarovana ny tsy hisian’ny rà mandriaka sy tsy hisian’ny hantsana mampisaraka ny vahoaka sy ny Foloalindahiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.