Actualités

Nisy nanondraka tamin’ny asidra Miaina anaty hirifiry tanteraka ny mpanakanto Gosho


  • Talata 20 Septambra 2022

Mijafajafa, miaina anaty hirifiry tanteraka ilay mpanankato Gosho, mpanao ny mozika mifangaro avy any Fotsialanana Soanierana Ivongo hatramin’ny omaly.

Mangirifiry azy avokoa mantsy ny vatany manoloana ny tratrany sy ny tarehiny izay notondrahin’ny sasany asidra raha tsiahivina. Afak’omaly alahady 18 Septambra tamin'ny 8 ora alina no nitrangan’ity toe-javatra mampalahelo ity tao Toamasina raha teny an-dalana hamonjy fodiana i Gosho. Teo akaikin'ny La Poudrette Tanambao V Toamasina izy no nisy nanondraka asidra. Na izany aza tsy misy ahiana ny ainy. Ny hany mampanahy ny mpanara-baovao rehetra dia ny loza nisesy matetika nahazo ity mpanankato iray ity. Vao nisy nanendaka ihany koa mantsy izy tamin’ny 05 Septambra lasa teo, tsingerin-taona nahaterahany ka very tamin’izany avokoa ireo firavaka sarobidy teny aminy. Olona nasainy ihany no fantatra fa nahavanon-doza. .
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT