Actualités

Nisandoka ho mpiasan’ny kaominina Mitaky vola no sady mampiasa rosia hosoka


  • Alarobia 08 Jona 2022

Lehilahy iray 44 taona no nosamborin’ ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny SUT(Sureté Urbaine de Tana) teny Anosy an-tanimbarin'Andriana ny sabotsy faha 04 jona teo noho ny fisandohana andraikitra.

 Misandoka ho mpiasan'ny Kaominina io lehilahy io. Rehefa narahi-maso izy dia nampatahotra ny olona nanadio fiara fa tsy azo hanadiovana fiara ny toerana izay misy azy ary misy ny lamandy izay mitentina 10 000 ar tsy maintsy aloha eo noho eo. Rehefa natao ny fanadihadiana teny anivon'ny kaominina dia fantatra fa tsy mahalala na inona na inona mahakasika izany ny kaominina. Nosamborina avy hatrany ity rangahy ity tamin'ny Sabotsy hariva teo tokony ho tamin'ny 02 ora. Hita teny aminy ny "badge" milaza fa mpiasaan'ny kaominina izy sy rosia fandoavana lamandy 10 000ar. Nentina nanaovana fanadihadiana ny tenany ka teo vao fantatra fa hosoka avokoa ireto fitaovana hampiasainy ireto ary niaiky ity farany fa nanao tombokase hosoka izy ary nanamboatra "badge" sy rosia hosoka ihany koa. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy misandoka ho mpiasan’ny kaominina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT