Lehilahy iray 26 taona no saron’ny polisy miasa ao amin'ny kaomisarian’ny Fenerive-Est, DRSP Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo tao Morondrano Fenerive Est rehefa nisoloky.
Raha araka ny fantatra mantsy dia milaza fa mahay mampitombo vola ity lehilahy ity. Taorian'ny fifampiresahany tamin'ireo olona nosolokiany dia resy lahatra ireto farany ka roboka. Ramatoa iray noho izany no notakiany vola 300.000ar ary nilaza izy fa hataony tonga avo roa heny izany hoe lasa 600.000Ar. Rehefa tonga ny fotoana nifanomezana dia boritra kely misy lamba mena sy vola 10000Ar sandoka miisa roa nalahatra tsara no voarain'ilay ramatoa. Raha vao nahatsikaritra izany ilay niharam-boina dia nampandre ny Polisy miasa any an-toerana. Nosamborina teny Morondrano Fenerive Est ilay mpisoloky ary nentina teny amin'ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.