Besarety sy ny manodidina, Mahamasina, Anosy, sy ireo faritra hafa dia saika
naha difotra hatreny an-dohalika ireo mpandeha teny an’arabe indray omaly. Dibo-drano indray Antananarivo na dia teo aza ny tetikasa isan-karazany voalaza sy entanina matetika teny anivon’ireo boriborintany. Efa tsy hita intsony hoe iza no omena tsiny fa fahatongavan-tsaina faobe no andrasana.Ny natao hatrizay ihany no nahatonga izao fa tsy resaka tora-bato avy any an-danitra tsy akory.Raha mbola eo foana ilay toetra manipitsipy fako etsy sy eroa sy ny fanotorana tany kanefa tsy misy lalan-drano mazava amboarina dia resaky ny moana sy ny marenina ny fisorohana ny rano miakatra eto, hoy ny teknisianina iray.Tsy tadidy intsony ny drafitra fanajariana ny tany fa dia samy manao izay saim-pantany na kely na lehibe amin’ny resaka fanorenana.Ny erikerika maha-tondra-drano hoy ny fitenenana ; ho an’Antanananarivo dia ny tototototra sy ny fako maha-tondra-drano. Mampametra-panontaniana hoe hatraiza izany ilay fisokirana tatatra sy fanadiovam-pantsona handehanan’ny rano tamin’ireny toerana maro samihafa ireny ? Hatraiza ny fanaraha-maso natao no mbola toy ireny ihany no zava-nitranga tao anatina orana nirotsaka nanodidina ny ora iray monja teo ho eo ?
J. Mirija
Legende: 500 ariary ny saran’ny sarety teo Besarety,
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.