Actualités

Niravona ny olana any Nosy be Mitohy ny fanamboaran-dalana ataon’i Wawa


  • Zoma 12 Martsa 2021

Nahazo fankatoavana avy amin'ny filoha Andry Nirina Rajoelina sy ny fitaleavana ankapoben’ny orinasa SIRAMA

 ny tetikasan'ny mpanakanto Wawa, taorian'ny fitarainana nataony omaly. "Nanaiky ity Projet Konka ity ny Ben’ny Tanàna, nanaiky avokoa ireo tompon’ny tany manodidina. Efa nanomboka iray volana ny asa, ary efa mandroso izany. Niezaka niantso ny Talen’ny SIRAMA ny tenako, kanefa milaza ho sahirana hatrany izy ary miteny ny hiantso afaka fotoana fohy, antso tsy mbola nisy anefa hatramin’izao. Izao moa nandefasany taratasy manakana ny fanamboaran-dalana ny tenako. Fanamboaran-dàlana izay tsy nisy mpijery efa ho 30 taona mahery, tena mampalahelo! Tokony nosakanany teny am-piandohana ny asa rehefa nitondra ireo fiarabe mpanamboatra làlana izahay. Voatery ajanona ny asa, raha tsy hoe foana ity fandrarana ity”. Niantso ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny alalan’ny vidéo tao amin’ny pejiny facebook i Wawa, tena nalahelo mafy, mba hanampy ahafahana mahazo ny fahazoan-dalana manohy ny asa.... Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nahazo valiny sady fankatoavana izany ka dia hitohy ny asa. Omaly tolakandro ihany dia tonga tao Dzamandzar nampahafantatra izany ny Solombavambahoaka Razafindravony Marifidy Christine dite Tatie Chris sy ny Ben'ny tanàna Vita Gibert. Voakasik’ity “Projet Konka” ity ny fanamboarana ho rarivato ny lalana avy amin'ny sampanan-dalana amin'ny CNaPS mankany amin'ny CEG Dzamandzar, faritra izay onenan'ity mpanakanto ity sy ireo tohatra rehetra amin'ny lalankely. Manodidina ny 240 tapitrisa Ariary no tetibidin’ny asa fanamboarana, izay haharitra roa volana eo, izay i Wawa no namatsy vola azy. Nilaza ity mpanakanto ity fa ny mpianatra sy ny vahoaka mipetraka amin'iny faritra iny no tena hahazo tombotsoa amin'ny fahavitan'ny lalana. Nilaza moa ny avy amin'ny SIRAMA fa resaka tsy fahatomombanana ara-taratasy no nampijanonana ny asa teo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT