Actualités

Nilamina ny raharaha QMM Hisy 2,5 miliara Ar hozaraina amin’ireo mpanantany


  • Talata 20 Desambra 2022

Niravona ny olana sy ny disadisa tao Taolagnaro mikasika ny raharaha QMM taorian’ny fifampiresahana voalaza fa tsy nisy teritery ny faran’ny herinandro teo,

nahitana ny Ny Minisitry ny jono sy ny toe-karena manga Mahatante Paubert, Ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny loharano stratejika Olivier Rakotomalala, Ny filohan’ny filankevim-pitantanana avy ao amin’ny orinasa jirama , Ny Governoram-paritra Anôsy Jocelyn Raharimbola , Ny mpikambana ao amin’ny OMC izay tarihin’ny lehiben’ny fileovan’ny Tolagnaro ary ny Depiote Zafinandro Perle , Ny tale jeneralin’ny orinasa QMM David Alexandre ary ireo solotenan’ny vahoaka mpanao fitakiana. Nisy ny fanapahan-kevitra izay noraketina an-tsoratra sy nosoniavin’ireo manam-pahefana sy solontenan’ny mpanao fitakiana. Noraisin’ny Fanjakana ny andraikitra momba ny fandaminana ny olan’ny mpanantany ara-drazana ka nanolorana vola mitotaly 2 miliara sy 500 tapitrisa ariary ho zaraina amin’ireo olona ao anaty lisitra vita «recensement parcellaire » tamin’ny 2022 ka manana zo hisitraka izany. Hisy ireo tetikasa fanampiana isan-tokatrano izay famatsiambolan’ny orinasa QMM tafiditra ao anatin’ilay RSE ao amin’ny bokin’andraikitra mitentina 10 tapitrisa Dolara mandritra ny telo taona. Noraisina ny tsy maintsy hiverenan’ny orinasa QMM amin’ny asa famokarany ary ny famerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herin’aratra ny tananan’ny Tolagnaro. Tsara ny mampahatsiahy, fa nitentina hatrany amin’ny 4 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny QMM tao anatin’ny tapa-bolan’ny fanakanana fotsiny, izay nanomboka ny 1 desambra, ary sambany no tsy nahafeno ny kaomandin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy hatramin’ny 2009 namokarany. Hatsahatra tanteraka ary tsy tokony hisy intsony ny fanakanan-dakana ataon’ny mpanao fitakiana taorian’ny fehin-kevitra notapahana, ary efa nesorina ireo sakana tao Maroamalona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT