Actualités

Nikorapaka ny Fanjakana Omena tambiny ny mpitsara, mpiraki-draharaha,…


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Nikorapaka eo anatrehan’ny fikatsoan’ny tetikasa fizarana kopia sy karapanondro faobe ny Fanjakana.

san’ireo notapahana sy lany tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly 14 septambra 2022 ny nankatoavana ny fandraisana didim-panjakana hanomezana tambin-karama ireo mpiantsehatra rehetra manatontosa ny hetsika fizarana kopian’ny soram-piankohonana faobe amin’ny alalan’ny fitsarana mitety vohitra na «jugement supplétif » sy ny fisitrahana karapondrom-pirenena ho an’ireo tsy mbola nisitraka izany. Tafiditra ao anatin’io ny mpitsara, mpiraki-draharaha, mpiandraikitra ny sora-piankohonana (secrétaire d’état-civil), ny mpitsabo, ny « opérateurs de saisie», ny mpaka sary, ireo mpiasan’ny distrika voakasiky ny asa tarihin’ny lehiben’ny distrika sy ny lefiny, ny lehiben’ny fileovana, ny sefom-pokontany, ny « quartiers mobiles »,… Mahatratra 29 805 izy ireo no hiparitaka any amin’ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, indrindra fa ireo lavitra sy saro-dàlana, ka noho izany no nanapahana hanomezana tambin-karama azy ireo, hoy ny Fanjakana. Notsiahivina ihany koa fa hisy ny « guichet unique » ahafahana manambatra ny asa rehetra takiana amin’ny sora-piankohonana aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana mba ho azon’ny olom-pirenena voakasika eo noho eo ny kopian’ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena. Inoana sy heverina avy hatrany fa vokatry ny firaisan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM sy ny Sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana feo niara-nanatsahatra ny fampandehanana io tetikasa io no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Efa natomboka ofisialy ny 01 septambra 2022 io, tsy nisy resaka tambin-karama, izay toa azo hadika fa tsy nieritreritra an’izany ny Fanjakana raha tsy nisy ny fampitsaharana nataon’ireo mpisehatra eo amin’ny Fitsarana. Heverina fa hanafaingana ny fiverenan’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha manohy izany ity fanapahan-kevitra ity satria efa nilaza rahateo ny mpitsara fa tsy izy ireo no sakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT