Nivoatra faran’izay haingana ny raharaha etsy Ampefiloha izay rombo teo anivon’ny samy tanora no niandohany.
Naiditra am-ponja vonjimaika omaly ireo efa-dahy izay izay zanak’Ampefiloha rehefa nentina teny amin’ny Fampanoavana. Tsy faly avy hatrany ny mpiara-monina manoloana ny zava-misy. Nisy ny fivoariana faran’izay maika natao. Tapaka tamin’izany ary fa hisy ny “sit-in” hatao sy filanjana sorabaventy mba hanamafisana izany tsy rariny izany. Raha hiverenana dia ady teo amin’ny samy tanora no niandohan’ny raharaha. Nisy minisitra teo aloha iray niditra an-tsehatra ka nahatonga ny fisamborana avy hatrany.
Ny nahagaga dia ny zanak’Ampefiloha ihany no nosamborina kanefa rombo no nitranga, izany hoe samy nandray anjara na ny andaniny na ny ankilany. Io toe-javatra io rahateo no tsy zakan’ny mponina. Raha ny filazan’ny mponina ihany dia mpitsara amperin’asa no havan’ilay naratra tamin’ny andiany iray izay havan’ilay minisitra teo aloha rahateo koa. Fantatra omaly fa nibata entana teo Ampefiloha ary nifindra trano avy hatrany ireo olona ireo omaly. Fiara 4X4 no nibata nitatitra ny entana teo. Mafanafana eny Ampefiloha anio...
r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.