Nahitan-doza ny herisetra nataon’ireto polisin’ny FIP Fianarantsoa ny herinandro lasa iny. Vazaha vavy iray
, teratany frantsay avy namonjy toeram-pandihizana tamina hotely iray ao an-drenivohitr’i Betsileo no nitondra faisana tamin’izy roalahy ireto, izay malaza ho mahery setra. Mifamahofaho be ihany ny fanazavana azo manodidina an’ity tranga ity, fa ny itovizany dia niharan’ny daroka ilay vazaha vavy ka naratra vokatr’izany. Voa mafy ny tanany, ary very hatramin’ny «ordinateur portable » tany aminy. Tazonina am-ponja vonjimaika ao Ankazondrano ireo polisy ireo amin’izao fotoana. Fepetra mety ho tsy maintsy noraisina io mba tsy hitaran’ny raharaha any amin’ny resaka diplaomatika, ka sao hiantraika amin’ny ho fampiantranoan’i Madagasikara ny Frankôfônia amin’ny volana novambra amin’ity taona 2016 ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.