Notsaraina nandritra ny «Cour Criminelle Ordinaire» tany Toliara, ny zoma 26 jolay lasa teo, ireo olona valo ka zaza tsy ampy taona ny iray izay voampanga nahatrarana basy miisa 76 sy bala 1 039 (iray gony) miampy basy tsy mbola voatambatra 24, ary boky maro mirakitra toromarika momba ny fampiasana ireto fitaovam-piadiana ireto, izay saron’ny polisy nanao fisafoana tao anaty fiarakaretsaka nampiahiahy, ny 30 novambra 2012.
Olona fito no nidoboka am-ponja, anisan’izany ilay kolonely nandositra atidoha izay migadra enim-bolana an-tranomaizina miampy lamandy roa hetsy Ariary.
Raha nanontaniana ny tao amin’ny fitsarana mahakasika ny sazy maivana nomena an’ireo voampanga dia nilaza fa «ny lalàna eto amintsika mihitsy no maivana ka mila fanatsarana amin’izay hanaraka ny toetrandro. Izahay aty amin’ny fitsarana foana no voasoketa sy iandronan’ny rihitra», hoy ny filoha voalohan’ny fitsarana an-tampony Toliara. Nomarihany fa heloka roa no nanenjehana an’ireto mpanao trafikana basy ireto dia fitazonana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana sy famoronana fikambana-jiolahy.
Tsiahivina fa tamin’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana ilay mpamilin’ity fiarakaretsaka ity no nilazany fa voakarama hanatitra ireto basy sy bala ireto any amin’ny 35 km miala an’i Toliara mihazo ny lalam-pirenena faha-7 iny izy, ary nanondro ny olona naniraka azy, ka teo no nahavoatonontonona ny anaran’ity kolonely izay lasa nandositra ity. Tsy mahagaga, hoy ny mpanara-baovao raha mirongatra ary tsy misy fanafany ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy mitam-basy eto amintsika, noho ny fivezivezen’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika. Fantatr’ireo mpibizina ihany koa fa maivana ny sazy ho azony dia mamerin-keloka foana izy ireo.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.