Actualités

Niakatra ny herin’ilay andro ratsy Ahiana ny orana mikija amin’izay holalovany


  • Talata 08 Martsa 2022

Tany amin’ny manodidina ny 196 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Cap Masoala no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny ranomasimbe Indiana omaly tamin’ny 4ora tolakandro,

 raha toa ka tany amin’ny 390km izy afak’omaly tamin’ny ora nitovy, izany hoe nahatratra 194km ny fikisahany tao anatin’ny 24ora. Niakatra ho “Depression Tropicale” ny heriny ka 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra manodidina ny 75 Km/ora, raha toa ka “Tempête Tropicale” izy ny alahady teo. Mikisaka mianatsimo andrefana izy ka mahafaka 07 Km/ora. Tombanana hiditra an-tanety ao amin’ny Faritra SAVA/Analanjirofo izy anio rahampitso maraina. Efa mitoetra ny orambe mialoha azy any Analanjirofo sy SAVA ary niitatra any Atsinanana izany nanomboka omaly alina izany, raha ny tomban’ny Météo Madagascar. Ahiana hikija arak’izany ny rotsakorana entin’ity andro ratsy ity amin’ny faritra rehetra izay ho lalovany. Noho izany dia miova ho toy izao ny filazana loza: Filazana loza manambana miloko mavo : SAVA sy Analanjirofo. Filazana fanairana miloko maitso : Alaotra Mangoro, Befandriana Nord, Bealanana, Mandritsara, Toamasina I-Ii, Brickaville, Vatomandry ary Antanambao Manampotsy.Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Sambava sy Brickaville dia iangaviana mba tsy hiandriaka fa miharatsy ny andro. Entanina ny tsirairay mba hanaraka ny toromarika omen’ny manampahefana isan-tokony, hoy ny antso avo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT