Actualités

Niakatra 50Ar ny vidin-tsolika Tsy afa-nihetsika intsony ny FAT


  • Alarobia 13 Aprily 2011

Nandeha ny fifampiraharahana rehetra omaly sy afak’omaly saingy tsy nihemotra intsony ny mpandraharahan’ny solika.

«Tsy hisy ny fitokonan’ny mpandraharaha izay tokony hanomboka anio, izany dia hiseho amin’ny fanidina ny toeram-pivarotana rehetra. Hiakatra kosa anefa ny vidin’ny solika rehetra, 50 ariary isaky ny litatra izany» raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fivondronan’ny mpandraharaha amin’io sehatra io. Heverina fa resy tanteraka izany ny FAT tamin’ity olana iray ity. Nezahina nanaovana ny jadona ireo mpandraharaha izay niaritra ihany saingy tsy nisy afaka nivarotra amin’ny fatiantoka noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika maneran-tany izay tsy mitsahatry ny miakatra. Manaraka izany dia tsy hita mihitsy izay tena hetsika mivaingana avy amin’ny fanjakana mba hampijanonana io fiakaran’ny vidin-tsolika izay tsy azo hialana io.

Omaly nanomboka tamin’ny misasakalina no niova ny tarehimarika teny amin’ny fivarotan-tsolika rehetra. Omaly ihany koa anefa dia hita fa nanomboka nikorapaka ny olona ary hita mivandravadra ny filaharana teny anivon’ireo toby mpaninjara solika maro. Efa nanahy ny maro ny tsy hisian’ny fiara fitaterana hiasa. Saingy Voalamin’ny mpandraharahan’ny solika ihany anefa ny olana fa tsy ny fanjakana akory. Ny olana dia ny mpanjifa indray aloha no hibaby ny vokatr’io fiakarana 50 ariary isaky ny litatra io.

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT